<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Congregational Psalmist</author>
<lyrics>[V1]
 Tsy renao va ny feon'ny Ray,
 Ry malahelo fo !
 Miantso hoe : « Avia, avia,
 Modia hianao ! »

[V2]
 Ny Rainao be fitiavana
 Hifaly aminao,
 Ka hanome malalaka,
 Raha hody hianao.

[V3]
 Na diso aza hianao,
 Mitebiteby koa,
 Ny Rainao ta-handray anao
 Ho sambatra tokoa.

[V4]
 Modia an-tranonao arý,
 Mahantra hianao ;
 Tsy misy zava-tsao atý
 Hahafa-po anao.

[V5]
 Ny lamba efa rovitra
 Hesorina aminao,
 Ka hafa tsara lavitra
 No hitafianao.

[V6]
 Mba maneke ny teniny
 Ankehitriny izao,
 Fandrao dia hisy loza re
 Hihatra aminao.</lyrics>
<title>Tsy renao va ny feon'ny Ray? FFPM359</title>
<hymn_number>359</hymn_number>
</song>